Midera ny Tompo ao an-tanàna

Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Septambra 2019

Salamo 48

Salamo 48
1 [Ny tsy nahazoan'ny fahavalo hamely ny tanànan'Andriamanitra, Mpanjaka lehibe] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.

Midera ny Tompo ao an-tanàna

Ny fitoeran’ Andriamanitra ao no mahatonga ny tendrombohitra Ziona ho
tendrombohitra masina (48.1) . Hita eto fa miavaka amin’ireo tanàna hafa
manerana izao tontolo izao i Jerosalema satria « avo mahafinaritra,
fifalian’ny tany rehetra
 » (48.2) ny tendrombohitra Ziona . Ao
an-dapany marina tokoa Andriamanitra , ka sady fiarovana no fialofana ho an’ny
tanàna.

Arovan’ Andriamanitra i Jerosalema

Nanambatra ny heriny ireo mpanjaka maro mba hamely ny tanànan’ilay mpanjaka
mahery .Tsy nipoaka anefa ny ady . Azon-tahotra ireo mpanafika raha nahita ireo
manda fiarovana manodidina (and5,6) . Feno fiderana ny fiangonana raha nandre
sy nahita ny asan’ Andriamanitra . Nanakoako hatramin’ny faran’ny tany ny
fiderana an’ Andriamanitra.( and10) . Midera ny Tompo ho mpiandry mahatoky
amin’ny fitarihany ny vahoakany ny mpanao salamo eto , na dia hatramin’ny
fahafatesana aza.