Fandalinana ny Boky SALAMO
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky SALAMO
Salamo 46
1 [Fahatokiana an'Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.Fandalinana ny Boky SALAMO
Salamo 46
Fatokiana lalina an’ Andriamanitra (and1-7)
Betsaka ny zavatra mifamahofaho eo amin’ny fiainana ka mahatonga ny olona ho kivy sy ho ketraka ka hihevitra an’ Andriamanitra ho tsy mahavonjy. Ny olona tena mino anefa dia manana fatokiana lalina fa na inona na inona zava-mitranga sy hamafin’izany dia ao hatrany Andriamanitra ary hamonjy Izy amin’ny fotoany (and 5b).
Fampaherezana ny hafa (and 8)
Rhefa jembin’ny hakiviana ny olona dia mila ampahiratina ny masony mba hahita sy hahatsapa ny asan’ Andriamanitra . Olona manam-pinoana lalina sy efa nokasihan’ Andriamanitra no afaka hitanisa ny asam-pamonjena? maneho ny hery sy ny fitiavan’ Andriamanitra .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-7