Fandalinana ny Boky SALAMO
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky SALAMO
Salamo 44.9-26
9 Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny miaramilanay Hianao. 10 Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo. 11 Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin'ny firenen-tsamy hafa. 12 Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin'ny vidiny. 13 Ataonao fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay. 14 Ataonao ho ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny olona maro. 15 Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako, 16 Noho ny feon'ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy. 17 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao. 18 Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay. 19 Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia* sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana.[Na: jakala] 20 Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa, 21 Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po. 22 Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. 23 Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay. 24 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay? 25 Fa miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay. 26 Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.Fandalinana ny Boky SALAMO
Salamo 44.9-26
Ny fahanginan’ Andriamanitra
Na dia firenena voafidy aza ny Zanak’Israely dia nanjaka sy nanaranam-po tamin’ny fampahoriana azy ny fahavalony . Zary anaram-panesoana ny maha- firenena voafidin’ Andriamanitra azy ireo satria afaka nanao izay tiany rehetra ny fahavalo fa ny Zanak’ Israely dia remby teo anatrehany
Ny fitalahoana ny famonjen’ Andriamanitra
Na toy inona anefa ny zava-nihatra tamin’ny Zanak’ Israely dia nifikitra tamin’ Andriamanitra hatrany izy ireo ary nitalaho sy nanantena ny famonjeny . Niaritra izy ireo satria nino fa tsy hanary azy Andriamanitra araka ny fanekena izay efa nataony taminn’y razany sy aminn’y maha- Andriamanitra Rainy Azy . Ny fifamatorany tamin’ Andriamanitra hatramin’izay dia antoky ny fanantenany fa tsy hanary Azy Izy.