Fandalinana ny Boky SALAMO
Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky SALAMO
Salamo 44.1-8
1 [Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa tsy nahafoy an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny. 2 Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany. 3 Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy. 4 Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba. 5 Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay. 6 Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy. 7 Fa namonjy anay tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra. 8 Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.Fandalinana ny Boky SALAMO
Salamo 44.1-8
Ny asan’ Andriamanitra dia fantatry ny taranaka mifandimby , na dia tsy hitany sy tsy niainany aza. Ny tantaran’ny Zanak’ Israely dia fantatry ny firenen-drehetra ary vao mainka manamafy ny finoana sy fanantenam-pamonjen’ny mino ao anatin’ny sarotra izany (and4-5) .Ao anatin’ny tantaran’nyZanak’Israely mantsy no ahitana ny asa sy ny herin’ Andriamanitra , ny fahamarinany sy ny fitiavany , ny maha- Andriamanitra velona sady masina Azy.
Ny olona efa nandre na efa nahita ny asan’ Andriamanitra teo amin’ny mpanompony na efa niaina izany mivantana dia manana hery hiatrehana ny fiainana , tsy mihontsina eo anoloan’ny mafy ary sahy manao fanekem-pinoana miezinezina amin-kery sy fatokiana lehibe (and4-8).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-7