Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Septambra 2019

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 11.16-33
16 Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa. 17 Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin'ny fahadalana amin'izao rehareha matoky izao ihany. 18 Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho. 19 Fa sitrakareo ny handefitra amin'ny adala, satria hendry angaha ianareo. 20 Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo. 21 Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin'izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho. 22 Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak'i Abrahama va izy? Izaho koa. 23 Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika. 24 Indimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. 25 Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina, 26 nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho, 27 tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan'aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana. 28 Afa-tsy ireo zavatra ivelany* dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan'andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.[*Na: izany rehetra izany] 29 Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho? 30 Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha. 31 Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho. 32 Tany Damaskosy ny governora notendren'i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy; 33 fa avy teo amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 11.16-33

Maro ireo fijaliana iaretan’ny mpanompon’ Andriamanitra . Ny mahagaga , na dia toa mafy sy tsy ahitana vahaolana aza izany , dia mivoaka ho mpandresy hatrany . Manana fiainana mahagaga ny mpanompon’ny Tompo .

1-Toa heverin’ny olona ho adala (and16-18)

Ny mpanompon’ Andriamanitra dia lazain’ny sasany fa very saina sy milaza zavatra tsy hisy mandrakizay , mpanadala saim-bahoaka , hoy ny sasany . Satria , nahoana? « Fa ny teny ny amin’ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’izay ho very , fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena » (1 Kor 1.18). « … ka dia ny fahadalan’ny fitorianteny no sitrak’ Andriamanitra hamonjeny izay mino » (1Kor 1.21)

2-Toa misedra fahafatesana matetika (and21-29)

Mandalo zava-tsarotra , manakaiky fahafatesana isanandro ny mpanompon’ny Tompo . Eken’ny mpanompon’ Andriamanitra izany , tsy noho ny sitrapony anefa , fa noho ny sitrapon’ilay Andriamanitra naniraka azy tahaka an’i Jesoa (Lio 22.44/ 2Kor 4.8-18) . Ao amin’i Kristy ny fanantenany ka mandresy izy . Miaina ny toy izany isanandro ianao nefa matokia fa Ilay Tomponao efa nandresy izany ka mandresy koa ianao izay ao Aminy .

3-Andriamanitra irery ihany no mahalala ny fahamarinan’ny mpanompon’ Andriamanitra (and31)

I Paoly dia nanankina ny momba azy tamin’ny Tompo . Manaova toy izany koa ianao , fa Izy handamina ny làlanao (Ohab 3.5-6/ Isa 50.8) . « Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra ? Andriamanitra no manamarina azy  » (Rom8.33).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8