Fandalinana ny 2 KORINTIANA

Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Septambra 2019

Fandalinana ny 2 KORINTIANA

2 Korintiana 8.16-24
16 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon'i Titosy ho anareo mitovy amin'ny ahy. 17 Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo. 18 Ary ilay rahalahy izay nalaza amin'ny filazantsara any amin'ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy; 19 ary tsy izany ihany, fa efa notendren*'ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay** ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon'ny fahazotoanay. [* Na: Nofidina tamin'ny fananganan-tanana] [** ataonay amin'ny fanompoanay] 20 Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao harena be angoninay izao; 21 fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason'ny Tompo ihany, fa eny imason'ny olona koa. 22 Ary nirahinay niaraka tamin'ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin'ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben'ny fahatokiany anareo. 23 Raha ny amin'i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky* ny fiangonana izy sady voninahitr'i Kristy.[*Gr.apostoly] 24 Koa amin'izany asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.

Fandalinana ny 2 KORINTIANA

2 Korintiana 8.16-24

Manao ahoana kosa indray àry ny toetra tokony hananan’ny olona natao hitantana sy hitazona ny volam-piangonana , izay voavory mba hanaovana ny asan’ny Fiangonana ho fanampiana ny hafa ? Indro omena anao izany :

1- Olona mazoto sy manao ny asa an-tsitrapo

Tsy olona kamo , malaina , miasa mba omena karama, fa miasa amin’ny fahazotoana sy an-tsitrapo . Teren’ny fitiavan’i Kristy (1 Kor5.4). Ho antsika manan-draharaha ao amin’ny Fiangonana mahakasika ny raharaha ara-bola no tena iantefan’izany (vakio Mpitor 5.9).

2-Olona tsara laza (and18)

Tsy olom-poana na olona efa re laza ratsy amin’ny asa ratsy akory na tsy mahatoky no omena andraikitra ara-bola . « Ary ny rahalahy izay nalaza amin’ny Filazantsara any amin’ny Fiangonana rehetra no nirahinao hiaraka aminy » (8.18).

3-Olona eken’ny Fiangonana sy voafidiny ka tendreny ho amin’izany asa izany (and19)

Tsy izay mafana fo fotsiny na atolotra olona manokana no hitantam-bola ao amin’ny Fiangonana fa ny Fiangonana manontolo no manendry sy mifidy azy amin’izany .

4-Olona mahatandrina sy malina tsara ary mitandro ny Voninahitr’ Andriamanitra (and20)

Volabe no tantanina na tazonina ka mila ny fahamalinana tsara tokoa , tsy olona mitavozavoza , ka ho tsotra loatra , mora ambakaina fa mahajoro tsara amin’ny andraikiny .

5-Olo-marina sy tia ny asan’ Andriamanitra (and24)

Ny olo-marina dia azo antoka . Ny olona tia ny asan’ Andriamanitra dia olona efa nandray an’i Kristy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8