Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Septambra 2019

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 6.1-18/7.4
1 Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan'Andriamanitra 2 fa hoy Izy: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko anao (Isa. 49. 8); indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena; 3 fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin'inona na amin'inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana; 4 fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana, 5 amin'ny kapoka, amin'ny fatorana, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny tsy fahitan-tory, amin'ny fifadian-kanina, 6 amin'ny fahadiovana, amin'ny fahalalana, amin'ny fahari-po, amin'ny fahamoram-panahy, amin'ny Fanahy Masina, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, 7 amin'ny teny fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia, 8 amin'ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany; 9 tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany ; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty; 10 tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra. 11 [Fanarana ny Kristiana tao Korinto mba tsy hikamba amin'ny ratsy, sy filazana ny hafalian'i Paoly noho ny nibebahan'ireo, rehefa nahazo ny epistily nampitondrainy] Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. 12 Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. 13 Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin'ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo. 14 Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina? 15 Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? 16 Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12). 17 Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. 18 Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12).

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 6.1-18/7.4

« Indro ankehitriny ny andro fankasitrahana , indro ankehitriny ny andro famonjena » (6.2)

Mpanompon’ Andriamanitra ianao:

1-Aza manao izay hanafitohina ny hafa

Zavatra voalohany tsy maintsy tandremantsika mpanompon’ Andriamanitra dia ny manao izay tsy hanafitohina ny hafa na amin’inona na amin’inona izany , fahavalon’ny fanompoana izany (Mat 18.6.10/ Mar 9.42) . Asehoy ny tenanao ho mpanompon’ Andriamanitra marina tokoa amin’ny zavatra rehetra (jereo and4-10).

2-Tempolin’ Andriamanitra velona

Fahamasinana no dikan’izany , voatokana , tsy azo afangaro amin’ny hafa. Izany no hisokajin’ Andriamanitra ny mino . »Fa isika no tempolin’ Andriamanitra velona , araka ny nataon’ Andriamanitra hoe : honina eo Aminy Aho , ary izy ho oloko » (6.16) . Tandremo tahaka ny anakandriamaso izany fahamasinanao izany satria « Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra dia mba hosimban’ Andriamanitra kosa ianareo » (1 Kor 3.17). « Anaka , arovy ny tenanareo amin’ny sampy » (1 Jao 5.21).

3-Manadio ny tena ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra

I Paoly dia sahy nilaza ny azy hoe: « …tsy nanao izay tsy marina tamin’ny olona izahay, tsy nanimba olona , tsy nanambaka olona » (7.2). Ianao izay mpanompon’ Andriamanitra ankehitriny mba manao ahoana kosa…? Hoy i Paoly hoe : « Koa mananatra anareo aho , manahafa ahy ianareo » (1 Kor 4.16.11.1).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8