Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Septambra 2019

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 4.1-15
1 Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka. 2 Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra. 3 Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany, 4 izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra. 5 Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin'i Jesosy. 6 Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan*'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.[*Na: hampisehoana] 7 Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay. 8 Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; 9 enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty; 10 mitondra ny fahafatesan*'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. [*Gr. ny famonoanana an'] 11 Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy. 12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13 Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny; 14 fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo. 15 Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 4.1-15

Tsarovy fa manana rakitra soa voatahiry ao anaty vilany tany ny mino … Koa ireto no iraka lehibe ho anao anio:

1-Sahia mitory marina ny Filazantsaran’i Kristy

Tsy mora izany hiatrehana ny fanenjehana , fandavana, fanevatevana…araka ny voalazan’i Paoly eto hoe: « Fa raha miafina ny Filazantsaranay , dia miafina amin’izay ho very izany , izay nohanjambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao , dia ny sain’ny tsy mino mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny Filazantsaran’ny Voninahitr’i Kristy , izay endrik’ Andriamanitra » ( 4.3-4,5 ampit 1 Kor 1.18).

2-Mijoroa vavolombelona

I Paoly dia sahy nilaza ny azy eo amin’ny and7-12 . Izany tokoa no fiainantsika mino , toa mandalo memy , loza , afo ,trano be , olana maro kanefa mitondra ny fandresen’i Kristy isanandro . »Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika  » (Rom 8.37) ;

3-Mitenena amin’ny finoana

« Ary satria manana izany fanahin’ny finoana izany indrindra izahay , araka ny voasoratra hoe : nino aho ka dia niteny (Sal 116.10) dia mino koa izahay ka miteny  » (4.13) . Efa napetraky ny Tompo eo am-bavanao ny teniny izay maneho ny fahefany ao anatinao (Mar 16.17-18) . Manana hery sy fahefana ny teny aloaky ny vavanao raha mino . Andriamanitra miteny , mitondra fahariana , manasitrana , mampitsahatra loza sns…( vakio Gen 1.3-11/ Mat 8.8/ Mar 4.39/ Lio 4.35) . Efa nomeny antsika ny herin’ny teniny (Jer 1.9).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8