Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 3.1-18
1 [Ny amin'ny voninahitra momba ny raharaha nanendrena ny Apostoly, sy ny fihoaran'izay noho ny voninahitry ny lalàna] Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo? 2 Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra; 3 eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay* ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.[*Na: soratanay; Gr. anompoanay] 4 Ary manana izany fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy. 5 Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra, 6 Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona. 7 Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin'ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak'Isiraely tsy nahabanjina ny tavan'i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona, 8 tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban'ny Fanahy? 9 Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana. 10 Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin'izao noho ny voninahitra izay manan-tombo. 11 Fa raha ny nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra. 12 Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa, 13 ary tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona; 14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany no anesorana izany. 15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy. 16 Kanefa raha miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana. 17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. 18 Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra*, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.[*Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo]Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 3.1-18
Misy fahamarinana efatra ambaran’ny Soratra masina eto manoloana ny asam-pamonjena nataon’i Kristy ho an’ny mino.
1-Epistilin’ny mino (and1-3)
« Eny, aseho ho epistilin’ i Kristy, izay entinay ianareo » (3.3). Ny tenan’ny mino dia epistily velona vakin’ny olona . Tandremo fa eo aminao kristiana no itarafan’ny olona , izany hoe : fiainana ao amin’i Kristy izany , sao dia avy amin’ny ataonao no hisakana ny hafa tsy hanatona ny Tompo (Lio 11.52/Mat 23.13/ 1Kor 10.32).
2-Manana ny fahafahan’ Andriamanitra (and 4-5)
Avy amin’ny Tompo irery ihany ny fahafahana ananan’ny mino (and 5). Ilay fahafaha-manao araka fahefan’ Andriamanitra no ambara eto. Marina ny hoe: « ny zavatra rehetra hain’ny mino » (Mar 9.23) . Tandremana anefa izany sao mampirehareha (Gal 5.13).
3-Mpanompon’ny fanekena vaovao(and 6)
Jesoa Kristy Ilay fanekena vaovaon’ Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao , izay tonga velona ao am-pon’ny olona izay mino Azy fa tsy tahaka ny lalàna ivelany . Voasoratra ao am-po fa tsy amin’ny vato fisaka . Isika no mijoro ho vavolombelon’izany .
4-Manana ny tombom-boninahitry ny fanompoana (and7-18)
Afaka ny sakana rehetra eo aminao sy izay manafina ny fanatrehanao amin’ Andriamanitra . Efa vitan’i Jesoa ny fandravana ny sakana rehetra hanatonanana ny Tompo (Mat 27.51 / Heb 1.3 /Kol 1.20 /Efe 2.14-18 /Rom 5.2)
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8