Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 1.12-24
12 Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo. 13 Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza, 14 toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin'ny andron'i Jesosy Tompontsika. 15 Ary tamin'izao fahatokiana izao dia nikasa hankat? aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany), 16 ary hankany Makedonia aho, raha avy at? aminareo, ary dia vao hiverina ho at? aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia. 17 Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana? 18 Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia; 19 fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany. 20 Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay. 21 Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra, 22 Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika. 23 Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tat? Korinto. 24 Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 1.12-24
Ambaran’ny Soratra masina aminao anio indray ny fahamarinan’ny kristiana ao amin’i Kristy .
1-Rehefa ENY dia ENY / TSIA dia TSIA
Tandremo! Tsy mba miroa teny na mandainga ny kristiana ao amin’i Kristy . Olona azo itokisana amin’ny teny aloaky ny vavany ny mino. Tsy miombona amin’ny vavolombelona mandainga ny kristiana ao amin’i Kristy. « Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va , mba hanaovako eny eny foana , sy tsia tsia foana ?« (1.17). I Jesoa Kristy, Ilay ao anatinao dia ENY sy AMENA mandakizay . « Fa na firy na firy ny teny fikasan’ Andriamanitra , dia ao aminy ny eny ,ary amin‘ny alalany koa ny Amena ho voninahitr’ Andriamanitra amin’ny ataonay » (1.20).
2-Marina isika satria vita tombokasen’ Andriamanitra
Ny tombokase dia fahamarinam-pototry ny fiziana tsy azo ovaina na soloina na esorina. « Izay nanisy tombokase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika » (1.22). Vitan’ Andriamanitra tombokase tamin’ny Ran’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana ny fahamarinanao . Marina ianao ka sahia! (Efes 4.30).
3-Andriamanitra no vavolombelon’ny fahamarinanao
« Ary Izaho miantso an’ Andriamanitra ho vavolombelona ny amin’ny fanahiko… »(and 23). Aza matahotra fa na aiza na aiza misy anao dia vavolombelon’ny fahamarinanao Andriamanitra « (Lio 12.11/Asa 14.3/ Mat 28.20 / Apo 3.14) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8