Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 15.35-50
35 Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany? 36 Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha; 37 ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambary*, na voa hafa; [* vary tritrika] 38 fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy. 39 Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano. 40 Ary misy tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny et? an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny et? an-tany. 41 Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray. 42 Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalòvana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalòvana; 43 afafy amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery; 44 afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa. 45 Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7); Adama farany natao fanahy mahavelona. 46 Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay amin'ny fanahy. 47 Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra. 48 Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra. 49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay any an-danitra koa. 50 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 15.35-50
Mamaha ny olana mahakasika ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty hatrany i Paoly .Tena (vatana) manao ahoana no hitsangana amin’ny maty ? Rehefa hatsangana amin’ny maty isika dia:
1-Hitafy ny tenan’ny any an-danitra
« Ary misy tenan’ny any an-danitra , ary misy tenan’ny ety an-tany fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra ary hafa ny an’ny ety an-tany (15.40). Tsy afaka handova ny lanitra ny tenan’ny ety an-tany . Manana tombony isika olombelona izay nataon’ Andriamanitra hitovy endrika Aminy (Gen 1.26-27) , ary nofofoniny fofonaina mahavelona (Gen 2.7). Efa nanomana vatana ho antsika izay mino ho afaka hifanatrika Aminy mivantana ny Tompo dia isika izay mitafy an’i Kristy (Rom 13.14).
2-Handova ny Fanjakan’ Andriamanitra isika
Handova ny fanjakan’ Andriamanitra ny marina , fa ny tsy marina kosa tsy mba hanana izany anjara lova izany (1 Kor 6.9-10) satria tsy mba manana ny vatan’ny voninahitra izy ireny (1 Kor 12.23) « …atsangana amin’ny voninahitra …atsangana amin’ny hery » (1 Kor 15.43). Aoka hanana fanantenana isika fa tsy maintsy ho tonga ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny tenanao raha mino tokoa ianao . « Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ny tany no hitondrantsika ny endrik’ilay any an-danitra koa » (115.49). Tano hatrany ny finoana sy ny fanantenana ary ambonin’ izany ny FITIAVANA (1 Kor 13.13/ Mar 16.16/ Jao 3.36).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » boky faha-8