Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 11.2-16
2 [Ny amin'ny tokony hisaronan'ny vehivavy loha ao am-piangonana] Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo. 3 Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy. 4 Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany. 5 Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy. 6 Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy. 7 Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy. 8 Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy. 9 Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy. 10 Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha* noho ny amin'ny anjely. [*Gr. hanana fahefana eo amin'ny lohany] 11 Kanefa ao amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy. 12 Fa toy ny nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian'ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra rehetra. 13 Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy? 14 Tsy mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany? 15 Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana. 16 Fa raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny fiangonan'Andriamanitra.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 11.2-16

Manohy ny fananarany ny kristiana tao Korinto i Paoly ny amin’ny fomba entina miseho eo anatrehan’ Andriamanitra . Zava-dehibe noho izany ny fahamasinan’ny kristiana ho fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra rehefa hamonjy ny fotoam-pivavahana izy.

1-Kristiana miseho ho voninahitry ny Tompo

Tsy seho ivelany akory no tena mahamaika an’i Paoly sy tiany hananarana ny kristiana tao Korinto fa ny fototra maha- kristiana ny kristiana feno . Toa zary fombafomba fotsiny mantsy ny fandehanana any am-piangonana, raha samy manao izay tiany hatao. Manaitra antsika ankehitriny koa izany , rehefa handeha hivavaka .Tsarovy Ilay mpanao anao : »Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo , satria masina Aho Jehovah… » (Lev 20.26).

2-Araho ny lamina apetraky ny Fiangonana

« Fa raha misy olona tia ady , dia tsy manana izany fanao izany isika , na ny fiangonan’ Andriamanitra  » (and16) . Tsy isan’ny fiangonana ny toy izany (1 Tim 3.3) . Miteraka fikorontanana ao amin’ny fiangonana ny tsy fanarahana lamina apetraka ho voninahitr’ Andriamanitra irery ». « Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana fa Tompon’ny fiadanana » . Araka ny fanaon’ny fiangonan’ny olona masina rehetra » (1 Kor 14.33) .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha-8