Fandalinana ny Boky 1 Korintiana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky 1 Korintiana

1 Korintiana 10.14-33/11.1
14 Koa amin'izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy. 15 Miteny toy ny amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko. 16 Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin*'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin**'ny tenan'i Kristy va izany? [* sy **Na: fiombonana] 17 Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa. 18 Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va? 19 Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy? 20 Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo. 32. 17); koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia ianareo. 21 Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo. 22 Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika? 23 Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. 24 Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany. 25 Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana; 26 fa an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal. 24. 1). 27 Ary raha misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana. 28 Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana. 29 Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an'ny tenanano, fa ny an'ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain'ny fieritreretan'ny olon-kafa? 30 Fa raha amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay anaovako fisaorana? 31 Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany. 32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra, 33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.

Fandalinana ny Boky 1 Korintiana

1 Korintiana 10.14-33/11.1

Foto-kevitra lehibe ambaran’i Paoly ato amin’ny Korintiana ny maha-tenan’i Kristy ny Fiangonana, ary ny kristiana momba izany TENA izany. Mandrafitra fitondrantena mifanaraka amin’izany ny Epistily. Manao ahoana àry ny fiainana kristiana ao anatin’ny fiaraha-monina Jentilisa ?

Tsy miombona amin’ny fanaon’ny Jentilisa

Mananatra ny kristiana tao Korinto i Paoly mba tsy hiombona amin’ny fanaon’ny Jentilisa (and 14-22). Ny fiombonana amin’ny tenan’i Kristy dia tsy azo ampifangaroina amin’ny fandotoan-tena fanaon’ny Jentilisa (vakio and21). Tena saropiaro amin’ny fahadiovanao ny Tompo. Koa atokany ho AZY manokana ny fiainanao. » Anaka , arovy ny tenanareo amin’ny sampy » ((1 Jao 5.21).

2-Ataovy ho Voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra

« Koa amin’izany na mihinana na misotro ianareo , na inona na inona ataonareo dia ataovy ho Voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany «  (and31) .Tsarovy fa feno fitsaratsarana sy fahatafitohinana ny fiaraha-monina misy antsika . Koa mitaky fitandremana tsara izany (ampit . Isa 1.16) . Sao dia ny ataontsika indray no hanafitohina ny hafa , na hanakana azy ireny tsy hivavaka. Tandremo! (vakio Lio 17.2) . Aoka isika hianatra amin’i Paoly .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8