Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1Korintiana 7.32-40
32 Fa tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo. 33 Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy. 34 Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy. 35 Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin'ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin'ny Tompo, ka tsy hivezivezen'ny sainareo. 36 Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zananivavy virijina, satria mihoatra noho ny taona tokony anambadian'ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy*. [* Gr. aoka hivady ireo] 37 Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa mahazo manaraka ny safidiny ka ninia tao am-pony hiaro ny zananivavy virijina, dia hanao tsara izy. 38 Ka izay manome ny zanany virijina hampakarina dia manao tsara, ary izay tsy manome azy hampakarina no manao tsaratsara kokoa. 39 Ny vavy voafehin'ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin'ny Tompo ihany. 40 Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin'Andriamanitra.Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1Korintiana 7.32-40
Itakiana fahamasinana ny toka-tena toy ny manambady. Samy manana izay ahiany manokna ny toka-tena sy ny manambady. Ny tanjona anefa dia ny iainana amin’ny fahamendrehana sy ny hitoerana tsara ao amin’ny Tompo (and35).
Ny fitaizana ny zanaka araka ny lalàn’nyTompo
Misy fahasarotana tokoa ny mitaiza zanaka araka nyTompo . Manan-kasina ny maha-virjiny mialohan’ny fanambadiana . Adidin’ny Ray amandreny mpino ny mitantana ny zanany ho amin’izany (and36-38) . Mihavery izany soatoavina izany amin’izao fotoana izao . Fahendrena ao amin’ny sehatra hanompoana
Na manambady na tsy manambady , ho an’i Paoly ny zava-dehibe dia ny fananana fifantohan-tsaina feno amin’ny fanompoana Tompo (and32a) . Nantsoina ho amin’ny fiadanana mantsy ny mpino amin’ny safidy izay hidirany . Ny fahendrena dia ny mba tsy ho maro ahiana izy amin’ny maha-tokatena na maha-manambady azy , ka tena hahefa ny zara fanompoana niantsoan’ny Tompo azy.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8