Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

Mofonaina anio: Talata, faha 13 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 3.16-23/4.1-5
16 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo? 17 Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany*. [* Na: dia masina koa ianareo] 18 Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry. 19 Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13). 20 Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany (Sal. 94. 11) 21 Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra: 22 na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany; 23 ary ianareo an'i Kristy ary Kristy an'Andriamanitra.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 3.16-23/4.1-5

Zava-baovao teo amin’ny famaritana ny maha- olona ity ambaran’i Paoly ity : »Tempolin’ Andriamanitra ny mpino » (and16).

Tsarovy fa:

Sata manokana isaloran’ny kristiana maha-tempolin’ Andriamanitra azy io , ary tsy afa-misaraka amin’ny fananana ny Fanahin’ Andriamanitra izany .Masiaka sy hentitra ny miandry izay minia manimba ny mpino na iza io eny fa na dia izy tenany aza (and17) . Raha ny fijerin’i Paoly ny « olombelona » dia voakasik’io maha-tempoly io avokoa ny « vatana-saina-fanahy » .

Andriamanitra no reharehan’ny mpino

Koa satria ny satan’ny maha-tempolin’ Andriamanitra dia azontsika avy tamin’i Kristy , ary manana ny zavatra rehetra ny mpino ao aminy (and22). Noho izany , tsy misy antony tokony hampitoerina ny reharehan’ny tena afa-tsy Jesoa kristy irery ihany .Tsy natao hifampitsara isika fa anjaran’ Andriamanitra ny mitsara ny olona araka ny asany , satria Izy no mahita ny ao am-po tsy miloaka (1 Kor 3.5).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8