Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 1.1-16
1 [Fitarihan-teny sy fiarahabana ary fisaorana] Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy, 2 mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra, dia azy sy antsika: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy, 5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra, 6 araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo, 7 ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika, 8 Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika. 10 [Anatra noho ny fifampiandanian'ny fiangonana tao Korinto, sy filazana ny amin'ny nitorian'Paoly ny filazantsara] Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra. 11 Fa efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo. 12 Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy. 13 Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo? 14 Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio, 15 fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako ianareo. 16 Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 1.1-16
Ao amin’i Kristy no iafenan’ny harem-pahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra Ray izay voatokana ho an’ny olona masina .
Ny filazana an’i Kristy no loharanom-pahasoavana
Ny fiorenan’ny filazana an’i Kristy teo amin’ny Fiangonana tao Korinto no nahatonga azy ireo tsy latsaka tamin’ny fananana fanomezam-pahasoavana (and7) . Zava-droa loha tsy afa-misaraka amin’ny fanantenana kristiana noho izany ny fiandrandrana ny fiavian’i Kristy indray sy ny fahaveloman’ny fanomezam-pahasoavana eo anivon’ny Fiangonana. Voatory tsara àry ve ny filazana an’i Kristy ? Velona tsara eo anivon’ny Fiangonana ve ny fanomezam- pahasoavana samihafa enti-manompo? Afaka milaza ve isika fa tena Fiangonana miandrandra ny fiavian’ny Tompo ny Fiangonana misy ny tena ?
Mazoto mitana ny firaisana satria iray i Kristy
Fakampanahy mpahazo ny Fiangonana hatramin’izay ny fifampiandaniana (and11-13) . An’i Kristy anefa ny Fiangonana ka tsy tokony ho zarain’ny firehana na olona (and12). Ilaina ny mitazona ny firaisana masina , miorina amin’i Kristy fa tsy oon-kafa (and10) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8