Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 16.17-27
17 Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny. 18 Fa izy ireny tsy mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon'ny tsy ary saina. 19 Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin'izay ratsy. 20 Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 21 Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako. 22 Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo. 23 Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo. 24 * [* Ampio hoe: [24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika Amena] 25 Ary ho an'izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola, 26 fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, 27 ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 16.17-27

Nahasaro-piaro an’i Paoly ny firaisam-panahy nisy teo amin’ny Fiangonana tao Roma.

Ny fahavalon’ny fiombonam-panahy

Natao ho tandremana izay mety hahatonga fahatafitohinana sy fisarahana eo amin’ny fiainam-piangonana . Aro fenitra ho amin’izany ny foto-pampianarana natolotr’i Paoly . Ity farany tokoa mantsy no refy sy masontsivana amin’izay mety ho fampianaran-diso (and17).Mety ho tafiditry ny mpino fatra-pitia ny haren’ny tany ny Fiangonana . Raha tsy mailo dia mety ho voataonany ho amin’ny filàny tsotra izao (and18-19).

Tsodrano sy tenim-pahasoavana ifanolorana

Toe-panahy tena tafapetraka teo amin’ny Fiangonana tany am-piandohana ny tenim-pahasoavana sy tsodrano omena izay hanoratana na hiresahana (and 20b, 25-27) . Tsy hoe famaranan-teny fotsiny fa sehatra hametrahana ny hafa ho eo ambany tàna-maherin’ Ilay Tsitoha. Hasikasinina aminn’y teny farany ny fahalehibiazana sy ny fahatsaran’Ilay Ray . Haseho fa miorina eo ambonin’ny Voninahiny ny resaka teo ambony rehetra teo (and 25-27).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8