Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Alahady, faha 04 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 14.1-18
1 [Ny amin'ny handraisana izay malemy finoana, sy ny tokony hifandeferana] Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza ,mandray azy hitsaranareo ny eritreriny. 2 Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany. 3 Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary. 4 Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo. 5 Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy. 6 Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy. 7 Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany. 8 Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany. 9 Fa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy. 10 Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra. 11 Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23). 12 Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra. 13 Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra* izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy. [* Gr. mitsara] 14 Mahalala sady matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany. 15 Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy. 16 Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy* ny fahasoavana azonareo. [*Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat.9.3] 17 Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. 18 Fa izay manompo an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona fa tsara.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 14.1-18
Tsy mandeha ho azy ny fifampitondrana eo anivon’ny fiaraha-monim-piangonana. Misy ny fifandeferana tsy maintsy apetraka . Itokiana anefa ny Tompo fa mahay mampijoro ny mpino amin’izay mety ho fahalemeny .
Ijoroana eo anatrehan’ny Tompo ny fandresen-dahatra
Mety manana ny fahalemeny izay ijoroan’ny tena ny amin’izay fomba ifandraisana amin’ Andriamanitra ny mpino . Tsy natao hifampitsara amin’izany anefa izy. Ny zava-dehibe dia ny fijoroana amin’izay inoana. Raha tahiny ka fahalavoana izany , dia Izy Tompo irery ihany no mahay mampijoro ( and4 b ) .
An’i Kristy ny amintsika rehetra
Ny fiantsorohan’i Kristy ny momba antsika tamin’ny fahatongavany ho nofo na tao amin’ny fahavelomanany izany na tao amin’ny fahafatesany dia voahaisotra tsy ho tompon’ny tenantsika intsony isika . Efa an’i Kristy ny amintsika rehetra (and7-9) .
Noho izany , ny fahafahan’ny mpino ao amin’iKristy amin’ny fitondrantena rehetra dia tsy natao hitsarana na hanafitohinana ny hafa , fa ny hahatonga fiadanana sy fahamarinana ho azy .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8