Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 13.1-14
1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra. 2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana. 3 Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao; 4 fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy. 5 Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa. 6 Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny. 7 Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina. 8 Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. 9 Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona (Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). 10 Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. 11 Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika. 12 Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava. 13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana. 14 Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 13.1-14
Sady kristiana no olom-pirenena
Takiana amin’ny mpino ny fanekena ny fahefana misy eo amin’ny firenena izay misy azy . Taomina izy hanefa ny andraikitra maha- olom-pirenena , tsy fialana ny fahatezerana mety hahazo anefa fa indrindra ny mba hananany fieritreretana tsara avy amin’izany (and1-5).
Hajain’ny mpino ny fandoavan-ketra
Natao handoa hetra ny mpino (and 6-8) . Tsy mahamendrika antsika ny fandosirana izany . Raha zohina ny fanehoankevitr’i Paoly Apostoly eto dia ny fifankatiavana ihany no ekena mety hisy tsy ho voaloantsika noho ny fitiavana tsy hita fetra (and8b) .
Mifoha ara-panahy ve aho?
Mariky ny fifohazam-panahy eo amin’ny mpino ny fitiavany ny namany . Tsy hanisy ratsy ny namana ao anatin’ny fanajana ny didin’ Andriamanitra tokoa mantsy izay tena mitafy an’i Kristy . Koa tsy hanarampo ny filan’ny nofony fa hanohitra izany (and13-14) . Mandeha amin’ny mazava ho fitaratra ho an’ny hafa.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8