Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 12.1-8
1 [Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana] Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo izany. [* Na: fanompoam-pivavahana] 2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka]. 3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy. 4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, 5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. 6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; 7 raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana; 8 raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 12.1-8

Raha izay voalaza teo aloha teo ary ny halalin’ny fitiavan’ Andriamanitra ny Jiosy sy ny Jentilisa , fitondratena manao ahoana kosa no andrasan’ Andriamanitra amin’ny kristiana ?

Toe-piainana voamariky ny fahasoavan’ny Tompo

Manaitra ny saina ilay hoe: « Hatolotra ny tena ho fanatitra velona » (and1b). Ny fanatitra rehetra teo amin’ny fanekena taloha mantsy dia novonoina. Isika kosa anefa « manatitra ny tena » ao anatin’ny fahafaha-mihetsika sy manao famonoana mety hatao . Tsy miraikiraiky na midonanaka izany ny mpino fa olona tena mitondra fiovana sy mamokatra.

Olona mihavao isanandro araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina fa tsy mandeha am-pahazarana na mpanara-drenirano (and2). manamarika ny fiainana izy fa tsy marihan’ny fiainana , satria Jesoa no fiainany.

Fanetretena sy fahononana

Na dia eo aza ny hery manetsika ny mpini aminn’y fiainana dia tsy nantsoina ho mpizahozaho sy mpihevi-tena ho zavatra izy . Manaja tsara ny zara fanompoany sy an’ny hafa. Miara-manompo ny Tompo eo amin’ny fetra nametrahany ny tena .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8