Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 31 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 11.16-36
16 Ary koa, raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany. 17 Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky* ny hazo oliva [* Na: (fakany sy ny menaky)] 18 dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao. 19 Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy. 20 Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora; 21 fa raha ny tena sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao. 22 Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao. 23 Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon'Andriamanitra atsofoka indray izy. 24 Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy. 25 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa; 26 ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy; 27 Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9). 28 Raha ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana. 29 Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany. 30 Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po, 31 dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. 32 Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra. 33 Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny* ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! [* Na: ny haren'ny fahendren'Andriamanitra] 34 Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13) 35 Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray? 36 Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 11.16-36

Avy amin’ny Jiosy ny famonjena . Ny avonavony no nahatonga azy ho nolavin’ Andriamanitra ho amin’ny fotoana voafetra.

Ny fanetretena takin’ Andriamanitra amintsika

Ny fidiran’ny hafa firenena ho amin’ny planin’ny famonjena dia mitaky fanetretena avy aminy satria ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra no namelany antsika hoamin’izany (and20,22) . Tsy hoe masina kokoa noho ny Jiosy isika (and16) fa ny tsy finoana mihitsy no mahatonga ny Tompo hanakatom-baravarana taminy (and23).

Ny hamafin’ny fon’ny Jiosy sy ny fiverenany indray .

Lalina ny fahendren’ Andriamanitra Izao hamafin’ny fon’ny Jiosy no ampidiran’ Andriamanitra miavosa ny Jentilisa ho amin’ny famonjena (and 25) . Ho avy ny andro anefa izay Izy Tompo mihitsy no hanala ny tsy finoan’ny Jiosy (and 25-26) ka nahatonga azy ho amin’ny fahafenoana indray .

Tena asan’ Andriamanitra ny mahatonga antsika ho isan’ny voavonjy . Tamin’ny fitiavany isika ka voataona i Jesoa Kristy no iafenan’izany fitiavana izany (and33-36).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8