Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Talata, faha 30 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 11.1-15
1 Dia hoy izaho: Sao narian'Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita'taranak'i Abrahama ihany, avy amin'ny firenen'i Benjamina. 2 Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny Soratra Masina eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany tamin'Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe: 3 Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14). 4 Fa ahoana no navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18).) 5 Dia toy izany koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana. 6 Ary raha avy amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana. 7 Ahoana ary? Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon'ny sisa; 8 araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3) 9 Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy; 10 Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy (Sal. 69. 22, 23). 11 Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy. 12 Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany. 13 Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako, 14 raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko*, mba hamonjeko ny sasany aminy. [* Gr. ny nofoko] 15 Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana* amin'ny maty ny fandraisana azy? [* Gr. fiainana]

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 11.1-15

Na dia eo aza ny fanokafan’ Andriamanitra ny famonjena ho amin’ny hafa firenena. Izany akory tsy midika fa nanilika tanteraka ny firenena Israely tsy ho amin’ny famonjena ny Tompo .

Ireo « sisa » amin’ Israely

Fantatr’ Andriamanitra ny Azy . Mahay mitahiry ampahan’olona ho Azy avy amin’Israely Andriamanitra (and4-5) ary hainy ny mampiasa ireo . Tsy miankina amin’ny fahamendrehan’ireo « sisa » ireo anefa izany fa « fahasoavana » tsotra izao no ifidian’ Andriamanitra azy (and6).

Ny zava-miafin’ny fandavan’ Israely sy ny fiverenany amin’ Andriamanitra .

Ny fandavan’ Israely an’i Jesoa Kristy no nahatonga an’ Andriamanitra hanokatra midanadana ny famonjena ho an’ny hafa firenena(and11) . Tena mihoatra lavitra izany ny harena ho azon’ny Jentilisa ateraky ny fiverenan’Israely amin’ Andriamanitra . Eny , fa na dia tsy takatry ny saina aza ny endrika hahatanterahan’izany (and12) . Hain’ Andriamanitra hatrany ny mamadika ny fiodinana ho amin’ny famonjena.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8