Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 10.14-21
14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory? 15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7). 16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly*. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.) 17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy. 18 Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4). [* Na: filazantsara] 19 Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21). 20 Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin'izay tsy nanontany Ahy. 21 Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 10.14-21

I Jesoa Kristy no ivon’ny fiainan’ny mpino

Ny tenan’i Jesoa Kristy sy ny asany no fototra iorenan’ny famonjena sy ny finoan’ny kristiana. Eny , fa na dia ny iraka tanterahin’ny fiangonana ho mpitory ny Filazantsara sy ny vontoatin’izany vaovao mahafaly izany dia mbola i Kristy ihany no loharano hanovozana izany (and13-16).

Hatraiza ny sahan’ny fitoriana ny Filazantsara ?

Mahatratra ny vazantany rehetra tsy ankanavaka ny fitiavan’ Andriamanitra . Nirahina ho amin’izany indrindra ny fiangonana fa tsy hijanona eo amin’izay akaiky ihany (and18) . Manohy ny asan’i Kristy mantsy ny Fiangonana satria sahan’ny fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao .

Tsy nahatanteraka io iraka io Israely amin’ny maha- firenena azy . Izany no antony naompitodika an’ Andriamanitra ho amin’ny hafa firenena , satria tena efa niala nenina tamin’ny Jiosy ny Tompo nefa fandavana hatrany no nasetriny izany (and21).

Andraikitry ny Fiangonana noho izany ny manao ny ainy tsy ho zavatra mba ho tanterany ny iraka napetraky ny Tompo taminy dieny mbola misy ny fotoana .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8