Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Jolay 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 9.19-33
19 Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony? 20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? 22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, 23 mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, 24 dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa, 25 araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25); 26 Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1). 27 Ary Isaia milaza ny amin'ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Zanak'isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena; 28 fa amin'ny fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany (Isa. 10. 22, 23); 29 ary araka izay nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika (Isa. 1. 9). 30 Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin'ny finoana? 31 fa ny Isiraely, izay nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany. 32 Nahoana moa? Satria tsy tamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa, ka tafintohina tamin'ny vato mahatafintohina izy; 33 araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 9.19-33
Marina Andriamanitra ao amin’ny fifidianany izay tiany ho vonjena na tsia . Tsy ny asan’ny tànany no hitsara Azy amin’ny fanapahankeviny (and19-21) .
Ny fiandrianan’ Andriamanitra dia tsy misaraka amin’ny fahamarinany ary ny fahamarinany dia ombam-pitiavana. Tsy hoe: manao izay tiany Andriamanitra satria feno fahefana. Fa na dia teo aza ny faharatsian’ny olona sy ny hamafin’ny fony amin’ny fahotana dia manome ny famindrampony hatrany Izy (and22). Ny fifikiran’ny olona amin’ny faharatsiany no mahatonga fandringanana ho azy.
Ny fisehoan’ny fitiavan’ Andriamanitra
Nosokafan’ Andriamanitra ho an’ny hafa firenena ihany koa ny fifidianana fa tsy ajanony ho an’ny Jiosy irery ihany (and24-28) . Koa na dia firenena voafidy aza ny Jiosy dia izay mino an’i Jesoa Kristy irery ihany no raisiny ho olony (and30-32).
Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fepetra feno ahafahana miditra ho isan’ny firenena voafidy izany (and33). Minoa Azy dia hovonjena ianao.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8