Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Jolay 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 8.1-11
1 [Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3 Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, 4 mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy. 5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra. 9 Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 8.1-11
Izay ao amin’i Kristy dia nohamarininy sy navotany maimaimpoana . Ny fandavana ny famonjena atolony kosa dia mitondra fahaverezana ho an’izay mandà.
Manamarina sy manavotra izay mino Azy i Kristy
Ny finoana ny asam-pamonjen’i Kristy no manafaka antsika amin’ny lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana . Tsy efan’ny nahim-po fotsiny mantsy ny manohitra ny ratsy izay manapaka ny nofontsika (and5a,6a). Nohelohin’i Kristy tao amin’ny tenany tamin’ny tsy nanotany mihitsy ny ota(and3) .
Velona araka ny Fanahy
Angataho ny fahafenoan’ny Fanahy Masina . Avelao hanapaka ny tenanao ny Fanahin’ Andriamanitra (and10). Aza avela hibaiko ny fiainanao ny fitaoman’ny nofo. Ny filan’ny nofo dia natao handosirana fa tsy natao ho toherina (2 Tim 2.22a).
Santarina dieny izao sahady izany famonjen’i Kristy izany. Eny , fa na dia maty aza ny tena noho ny ota , manantena kosa isika fa fiainana mandrakizay ho an’izay velon’ny Fanahy (and 11) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8