Romana 7.14-25
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Jolay 2019
Fandaharana ny Boky ROMANA
Romana 7.14-25
14 Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota. 15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko. 16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna. 17 Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko. 18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. 19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. 20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko. 21 Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho*, dia ato amiko ihany ny ratsy. [* Na: koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina] 22 Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; 23 nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako. 24 Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity? 25 Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.Romana 7.14-25
Aseho amin’ireto and ireto fa ny tena kristiana marina dia:
1-Izay mangetaheta sy maniry ary miezaka hatrany hanao ny sitrapon’ Andriamanitra
Amin’ny maha- olona afaka ny kristiana dia efa nampahafantarina azy ny sitrapon’ Andriamanitra , ary fantany koa ny faharatsian’ny fahotana rehetra niainany taloha. Vokatr’izany , tena ao anatiny mihitsy ny fankahalana ny ota ary ny fitiavana ny sitrapon’ny Tompo . Izany no mahatonga an’i Paoly mamerimberina matetika ny fahareseny lahatra amin’ny fahatsaran’ny lalànan’ Andriamanitra ka haniriany ny hiaina amin’izany eo amin’ny and 15-22.
2-Izay miankina hatrany amin’ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy fa tsy ny ezaka vitany
Hoy ny and 24-25 : »Indrisy olo-mahantra aho! iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity? Misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika . Koa raha ny Amiko , dia mankato ny lalànan’ Andriamanitra aho ao amin’ny saiko , fa ny lalàn’ny ota kosa amin’ny nofoko« . Manambara fiankinan-doha tanteraka amin’i Jesoa Kristy izany . Tsy azontsika atao rahateo ny miantehitra amin’ny asa (fitandremana ny lalàna) . mila Mpamonjy isika satria tsy mahavita tena . Manompo Azy kosa anefa isika satria zanany ary babon’ny fitiavany antsika .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8