Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Jolay 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 6.15-23
15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! 16 Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana? 17 Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo; 18 ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. 19 Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. 20 Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana. 21 Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany. 22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. 23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 6.15-23
Tsy maintsy mahatsapa fiovana eo amin’ny fiainantsika taloha sy ankehitriny isika , rehefa nanolo-tena hiara-maty tamin’i Jesoa Kristy .
1-Ny lasantsika
Nanolotena ho mpanompon’ny fahotana (and 16-17,19.20) . Safidy ny maha- mpanompon’ny fahotana araka ireo and ireo , tsy misy ota afaka ny hangeja antsika raha tsy isika aloha no nanolotena ho azy .
Nirona tamin’ny fahafatesana (and 16.21,23)
Ao amin’ny Baiboly DIEM dia izao no andikany ny vokatry ny fahotana amin’io and16 io : » ny fahotana izay mampirona amin’ny fahafatesana dia ny fisarahana amin’ Andriamanitra .
2-Ny ankehitrinintsika
–Tonga mpanompon’ Andriamanitra (and16-17.22)
Iharan’ny asa nataon’ Andriamanitra isika , dia tonga mpanompony. Hoy ny and 22 « Ankehitriny anefa , natao afaka tamin’ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon’ Andriamanitra « .
–Mirona amin’ny fahamarinana, fahamasinana, fahavelomana mandrakizay (and18-19.23)
Ireo no vokatra azo ankehitriny noho ny fanompoana ny Tompo . Ary miara-dàlana amin’izany koa ny fahatsapana hoe: ratsy sy mahamenatra hay ireo ota vita teo aloha (and21). Mampieritreritra ihany ny kristiana tsy mahatsapa io fiovana io (Eze 20.42).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8