Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Jolay 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 4.13-25
13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. 14 Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana; 15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna. 16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - 17 araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy. 18 Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5). 19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha, 20 ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra 21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. 22 Dia nisaina ho fahamarinany izany. 23 Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany, 24 fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty, 25 Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 4.13-25
Tsy ny fanamarinana ihany no azo vokatry ny finoana fa hahazona fampanantenana koa izy .
1-Fampanantenana noho ny finoana fa tsy vokatry ny lalàna (and13-16)
Teny fikasana koa no andikana ny hoe: fampanantenana . Zavatra roa no nampanantenain’ Andriamanitra an’i Abrahama fa homena azy dia ny lova sy taranaka. Ny lova dia ny tany Kanana . Ny taranaka kosa dia zanaka naloaky ny kibony handimby azy . Tsy avy amin’ny fitandremana ny lalàna no hahazoana ireo zavatra ireo , fa ny finoana . miverina indroa izany hevitra izany , eo amin’ny and 13 sy ny and 16 . Ny finoana araka ireo and ireo no fepetra fototra hahazoana mandova .
2-Fampanantenana ao amin’izay tsy misy antenaina intsony (and17-25)
Fantatsika fa antitra tsy nampoizina hiteraka intsony i Abrahama sy i Saraha vao nampanantenain’ Andriamanitra fa mbola hiteraka indray . Izany no ataontsika hoe: fampanantenana avy amin’izay tsy misy antenaina intsony . Raha ny maha- olombelona dia mampihimehy tokoa izany hoe :mpivady efa ho 100taona no mbola hiteraka . Nino izany anefa i Abrahama.
Fa hoy ny and 20-21 hoe: « ary tsy nihanahana ny amin’ny teny fikasan’ Andriamanitra tamin’ny tsy -finoana izy , fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’ Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa ».
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8