Romana 3.19-31
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Jolay 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 3.19-31
19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao, 20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota. 21 [Ny fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany, 22 dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy* ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra sy)] 23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, 24 nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy, 25 Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana* amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana] 26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy. 27 Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana. 28 Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna. 29 Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa; 30 fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana. 31 Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.Romana 3.19-31
Aseho amintsika eto ny fifandraisan’ny lalàna sy ny famonjena na ny fanamarinana.
1-Tsy nataon’ Andriamanitra hahazoana famonjena ny fitandremana ny lalàna (and19-20)
Tsy fitaovana entin’ Andriamanitra hitsara antsika ny lalàna , fa fitaovana natao handrefesantsika ny maha- mpanota antsika. Mazava ny voalazany ao amin’ny and 20 DIEM « Koa tsy misy olombelona ho eken’ Andriamanitra ho marina , noho izy manatanteraka ny lalàna , fa ny lalàna dia miasa hahafantaran’ny olombelona mazava hoe: nanota izy » .
2-Ny fomba hanamarinan’ Andriamanitra antsika (and21-31)
Telo ny zavatra hanamarinan’ Andriamanitra ny olna na hamonjeny azy
-Ny fiaikeny ny maha-mpanota no hahazoana fanamarinana (and 23)
-Ny nataon’i Jesoa Kristy no nahazoantsika fanamarinana (and21-26) »fa ny finoana niainan’i Jesoa Kristy no haneken’ Andriamanitra ny olombelona ho marina » (and22 ) DIEM
-Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy no hanamarinan’ny Tompo antsika (and27-31). Tsy ny olona mitandrina ny lalàna no mahazo fanamarinana fa izay manana finoana (and28) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8