Fandalinana ny ROMANA
Mofonaina anio: Talata, faha 09 Jolay 2019
Fandalinana ny ROMANA
Romana 2.1-16
1 [Ny amin'ny tsi-fahamarinan'ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin'ny lalà na] Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy*, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [* Gr. olona] 2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany. 3 Ary ianao, ralehilahy*, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra ianao? [* Gr. olona] 4 Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? 5 Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra, 6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: 7 ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; 8 fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana, 9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa; 10 fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] 11 Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra. 12 Fa izay nanota tsy nanana ny lalà na dia ho very tsy manana ny lalà na; fa izay nanota nanana ny lalà na kosa dia hotsaraina araka ny lalà na. 13 Fa tsy ny mpandre ny lalà na no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalà na no hohamarinina; 14 fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalà na ireo no misy manao izay nandidian'ny lalà na araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalà na aza ireo, dia lalà n-tenany ihany; 15 fa ireo maneho ny asan'ny lalà na ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,- 16 amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.Fandalinana ny ROMANA
Romana 2.1-16
Marina ny fitsaran’ Andriamanitra (and2.5,11,16) ka
1- Tsy mila antsika hanampy Azy hitsara ny hafa Izy (and1-3)
Tsy azontsika olombelona atao ny mifampitsara satria : mahaleotena amin’ny fitsarana ataony Andriamanitra, ary tsy mahazo mifampitsara isika , satria samy mpanota (and1-2) .
2-Mitaona antsika hibebaka Izy (and4-5)
Ambaran’ny and 4 ny maha- Izy Azy an’ Andriamanitra : manankarena amin’ny fahamoram-panahy sy ny fandeferana ary ny faharipo . Izany no mitaky fibebahana avy amintsika olombelona. Matoa tezitra Izy , dia tsy noho ny fahotantsika loatra , fa noho isika tsy nibebaka(and5) .
3-Tsy mizaha tavan’olona Izy (and 6-11)
Fiainana mandrakizay (and7) , voninahitra sy laza ary fiadanana (and10) : ireo no anjara ho an’ny olona manao ny soa sy tsara na iza na iza . Fahavinirana sy fahatezerana , fahoriana ary fahantrana (and8-9) kosa no anjaran’ny olona mitady ny ho an’ny tenany ihany ka tsy manaraka ny marina na iza izy na iza (and11).
4-Mitaona antsika hankato ny sitrapony Izy (and12-16)
Tsy izay manana ny lalĂ na ao amin’ny fieritreretany ( Jentilisa) na voasoratra ( Jiosy ) no sitrak’ Andriamanitra fa izay manatanteraka ny sitrapony (and13).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8