Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 1.18-32
18 [Ny amin'ny faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy, 19 satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy. 20 Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra* ireo; [* Na: Mba tsy hanan-kalahatra] 21 fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. 22 Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, 23 koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. 24 Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy; 25 ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. 26 Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; 27 ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. 28 Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao, 29 ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,- 30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [* Na: mpankahala an'Andriamanitra] 31 tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra; 32 dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 1.18-32

Mpanota ny olombelona rehetra . Tanisaina eto ireo fahotan’ny Jentilisa

1-Mahafantatra an’ Andriamanitra ny Jentilisa nefa nisafidy ny hanompo sampy

Mazava araka ny and 19-20 fa nasehon’ Andriamanitra ny maha- izy azy tamin’ny alalan’ny asa fahariana nataony.Mahafantatra izany na ny Jentilisa aza . Safidin’ny Jentilisa ny nanonompo sampy, fa tsy vokatry ny tsy fahalalany an’ Andriamanitra akory. Fankalazana sy fisaorana Azy no asa tokony ho nasetrin’ny olona ny fahafantarana ny momba an’ Andriamanitra . Tsy izany anefa no nataony araka ny voalaza ao amin’ny and21 .

2-Ny vokatry ny fanompoan-tsampy nataon’ny Jentilisa

Anankiroa ny vokatry ny nisafidian’ny olona hanompo sampy (and 25)

a)- Natolotry ny Tompo ho amin’ny fahotana rehetra izy, izany hoe : navelan’ Andriamanitra hanota , natolotra ho amin’ny filan’ny nofo ( and24-25) , ny filan-dratsy mahavoafady (and 26-27) ny fisainana tsy mahamendrika (and28-32) .

b)- Nandatsahan’ny Tompo ny fahatezerany izy

Hoy ny voasoratra eo aminn’y and 18 : « Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan’ny olona izay misakana ny fahamarinana amin’ny fanaovan-dratsy  »

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8