Fandalinana ny Bokin’ny ROMANA

Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Jolay 2019

Fandalinana ny Bokin'ny ROMANA

Romana 1.1-7
1 [Fitarihan-teny] Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra, 2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina*, [* teo amin'izay soratra masina] 3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho* tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra** araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho Zanak'Andriamanitra mahery] 5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra; 6 ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, - 7 ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Fandalinana ny Bokin’ny ROMANA

Romana 1.1-7

Mahagaga ny zava-bitan’ny Filazantsara . Jereo ange!

1-Mampitovy ny olona rehetra ny Filazantsara (and1-7)

Noho ny amin’ny Filazantsara (Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty) dia lasa nisy zavatra nitovizan’i Paoly ) sy ny mpino kristiana tany Roma. Samy olom-boantso izy ireo . I Paoly voantso ho Apostoly (and1) . Ny mpino kristiana tany Roma koa dia voantso ho an’i Jesoa Kristy . Lasa Ray iray no niombonan’i Paoly sy ny mpino tanyRoma (and7).

2-Mampifanantona ny olona rehetra ny Filazantsara (and8-15)

Rehefa ren’i Paoly ny lazan’ny finoan’ny kristiana tany Roma dia nangetaheta mafy ny hihaona aminy izy (and8-12) . Ny antony mahatonga izao faniriana izao dia noho ny Filazantsara ihany . Te-hitory ny Filazantsara any Roma koa i Paoly (and15) mba hiara-mitombo finoana amin’izy ireo (and11-12) .

3-Mamonjy ny olona rehetra ny Filazantsara (and16-17)

« Fa tsy menatra ny Filazantsara aho , fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany » (and16) . « Ny marina amin’ny finoana no ho velona » (Hab2.4) and 17.Velona na voavonjy ny olona rehetra na iza na iza mino ny Filazantsara ,tsy manavaka sarangan’olona na fiavian’olona izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8