Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Zoma, faha 05 Jolay 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 28.1-16
1 Ary rehefa voavonjy izahay, vao fantatray fa Melita no anaran'ilay nosy. 2 Ary tsy kely ny soa nasehon'ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin'izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro. 3 Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin'ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin'ny afo ka niraikitra tamin'ny tànany. 4 Ary raha hitan'ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy avelan'ny todin'aina ho velona. 5 Fa nakifiny ho eo amin'ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza. 6 Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io. 7 Ary teo akaikin'io dia nisy sahan'i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana. 8 Ary nararin'ny tazo sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy. 9 Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana. 10 Ary voninahitra be no nomen'ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara. 11 Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin'ny sambon'Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin'izany nosy izany sady nisy sarin'ny Zaza Kambana*. [* Gr. Dioskory; dia Kastora sy Poloksa] 12 Ary rehefa nitody tany Syrakosa izahay, dia nitoetra teo hateloana. 13 Ary nony niala teo izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly izahay; 14 tao no nahitanay ny rahalahy sasany, ary izy niangavy anay hitoetra tao aminy hafitoana. Ary toy izany no nandrosoanay nankany Roma. 15 Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin'ny Tsenan'Apio sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an'Andriamanitra izy ka nahazo toky. 16 [Ny toetr'i Paoly tany Roma, sy izay nataony tany] Ary rehefa tonga tany Roma izahay*, Paoly dia navelany hitoetra mitokana teo amin'ny miaramila anankiray izay niambina azy. [* Ampio hoe: ny mpifatotra dia natolotry ny kapiteny ho amin'ny lehiben'ny mpiambina; fa]

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 28.1-16

Tonga teo amin’ny nosy iray atao hoe: Melita ny dia. Mitohy hatrany ny fanehoan’ Andriamanitra ny heriny amin’izy ireo . Fahagagana roa indray no hita eto :

1-Ny fahatsaran’ny fandraisan’ny tompontany

Sokajin’olona 3 no nandray amim-pitiavana ka nikarakara ireto mpandeha ireto .Voalohany , ireo mponina tao Potioly dia nangataka azy ireo mba hitoetra ao mandritra ny fito andro . Ireo avy ao Roma kosa nitse,na hatrany amin’ny tsenan’i Apio Melita (and1-6) . Mbola nanome vatsy an’ny mpandeha aza ireo mponina rehefa nisaraka izy ireo (and10). Faharoa , ny mpanapaka tao Melita (and7-10). Fahatelo , dia ireo mpino kristiana (and11-16), tsy tao Melita fa tao Potioly sy ny mpino tao Roma koa. Ny tao Potioly sy ny mponina tao Roma koa. Ny tao Potioly dia nangataka azy ireo mba hitoetra ao mandritra ny fito andro . Ireo avy ao Roma kosa nitsena hatrany amin’ny tsenan’i Apio .

2-Ny fandresena ny fahafatesana

Norahonan’ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny kaikitry ny menarana i Paoly ao amin’ny and 3-6 .Tokony ho faty izy na hivonto farafahakeliny . Tsy izany anefa no nitranga . Tahaka izany koa , nampihorohoro ny mponina tao Melita tamin’ny alalan’ny aretina ny fahafatesana (and8-9) . Ny rain’i Poplio nararin’ny tazo sady nivalan-dra (and8) , aretina mafy nahiana hahafaty azy . Samy rey avokoa ireo rehetra ireo noho ny herin’ Andriamanitra .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8