Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Talata, faha 02 Jolay 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 26.19-32
19 Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho; 20 fa nambarako voalohany tamin'izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia rehetra ary tany amin'ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana. 21 Ary izany no nisamboran'ny Jiosy ahy teo an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy. 22 Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, 23 fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa. 24 Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin'ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao. 25 Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin'ny fahamarinana sy ny fahononana. 26 Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin'ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin'ny takona izany. 27 Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao. 28 Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana. 29 Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany. 30 Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin'izay niara-nipetraka teo aminy; 31 ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany. 32 Ary hoy Agripa tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 26.19-32
Zavatra roa loha mifamatotra no hitantsika eto:
1-Nandresy lahatra ny olona hino an’i Jesoa i Paoly (and19-29)
Niainga tamin’ny zavatra fantatry ny olona ny fitoriana nataon’i Paoly : zavatra efa fantatry ny mpanjaka Agripa ihany no nitondrany ny resaka (and26). Aiza ho aiza amin’izay nataon’i Paoly ny fitoriana ataontsika ankehitriny? Aoka isika hiainga amin’ny zavatra fantatry ny olona rehefa mitory an’i Jesoa Kristy . Aoka isika hanana fatokiana an’ Andriamanitra fa Izy no miaro sy mitahy antsika .
2-Nahavonjy an’i Paoly amin’ny fanamelohana ny fitoriana ny Filazantsara (and30-32)
Tombotsoa azon’i Paoly vokatry ny fitoriany ny Filazantsata ny nahatonga ny mpitsara hiaiky fa tsy meloka izy (and30-32). Mahafaka amin’ny fitsarana ny finoana sy fitoriana an’i Jesoa Kristy . Hafakely ny fandaharanteny nataon’i Paoly teto , satria sady fitoriana ny Filazantsara no fiarovan-tena manoloana ny fiampangana nataon’ny olona taminy . Tombotsoa roa lehibe no azo : afaka amin’ ny fitsaran’ny tany izy , ary ny mpitsara koa afaka amin’ny fitsaran’ny lanitra satria nandre ka hino an’ i Jesoa Kristy . Mety tsara izany raha ny finoana sy fitoriana an’ i Jesoa Kristy no iampangana antsika fa tsy ny ratsy nataontsika .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8
3rb