Fandalinana ny Asan’ny Apostoly

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Jolay 2019

Fandalinana ny Asan'ny Apostoly

Asan'ny Apostoly 26.1-18
1 Ary hoy Agripa tamin'i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe: 2 Ny amin'ny zavatra rehetra iampangan'ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio, 3 indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin'ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy. 4 Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin'ny fireneko tany Jerosalema hatramin'ny voalohany; 5 eny, fantany hatramin'ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahantsika. 6 Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto, 7 dia ilay fanantenana andrasan'ny firenentsika roa ambin'ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra andro aman'alina. Izany fanantenana izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô. 8 Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty? 9 Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta, 10 sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho. 11 Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy*; ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza. [* Gr. hanao blasfemia; izahao Mat. 9,3] 12 Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona, 13 koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. 14 Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana. 15 Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. 16 Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)] 17 hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, 18 hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.

Fandalinana ny Asan’ny Apostoly

Asan’ny Apostoly 26.1-18

Hiatrika ny fitsaran’ Andriamanitra isika . Iza amin’ireto no hanalanao tsiny ny tenanao ?

1-Ny finoanao ny fivavahan-drazana sy ny hafanamponao nanompo tamin’izany (and1-11)

Tamin’izay fitsarana natrehan’i Paoly hatreto dia ity no anisany nanaovany teny lava indrindra . Noho ny maha- Jiosy ny mpitsara manatrika azy ka mahalala ny fivavahana Jiosy no anton’izany (and2-5). Hatramin’izay dia ny finoana kristiana izay inoany sy itoriany an’i Jesoa Kristy ihany no lazainy . Fa eto kosa dia natombony hatrany amin’ny finoana sy fivavahana Jodaisma izany . Lesona lehibe ho antsika izany hahatsiarovantsika fa mifameno ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta vaovao . Ao amin’i Jesoa Kristy no fahatanterahan’ny faminaniana rehetra ninoan’ny Jiosy.

2-Ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny hafanampo nanompo Azy (and12-18)

Teo am-panohizana izany fiarovana sy fanadiovana ny fivavahana Jiosy izany i Paoly no nifanena tamin’i Jesoa Kristy , noho ny fiantsoany azy hino sy hanompo Azy . Mampahery antsika ity Soratra Masina ity , fa ireo olona voafatotry ny fivavahana hafa , dia hain’i Jesoa afahana . Azo ampiasaina hanompoana an’i Jesoa ny hafanampo nananantsika talohan’ny maha- kristiana , ary tokony hanao mihoatra noho izany aza isika . Ny finoanao an’i Jesoa sy ny fanompoanao Azy ihany no hahafaka anao amin’ny fitsaran’ny lanitra rahatrizay .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8