Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 25/13-27
1 [Ny hevitra nataon'ny Jiosy hahafaty an'i Paoly, sy ny nangatahan'i Paoly hotsarain'i Kaisara] Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 25/13-27

Hitantsika fa mila fanampiana amin’i Agripa mpanaka i Festosy amin’ny fitsarana an’i Paoly eto satria:

1-Diso fanantenana ny amin’ny antony iampangana an’i Paoly izy(and13-22)

Hay adihevitra momba ny fivavahana sy ny finoana no niampangana an’i Paoly (and19) fa tsy fahadisoana nataony teny anivon’ny fiaraha-monina sy ny mpiara-belona akory, nefa dia ny hanolorana azy ho faty no nangatahan’ ny Jiosy. Rehefa tiana hovonoina tokoa moa ny olona dia torina amin’izao antony tsy ara-dalàna rehetra izao . Moa tsy izany koa no efa nanjo an’i Jesoa.

2-Tsy mahita hosoratana amin’ny antony hanolorana an’i Paoly amin’i Kaisara (and 23-27)

Efa tokony hahazo fahafahana tanteraka i Paoly fa tsy misy antony hahafaty azy ny zavatra iampangana azy fa noho ny fangatahany handahatra amin’i Kaisara (Asa 25.10,12) dia hampiakarina amin’ny Amperora ny raharaha (and 25). Sahirana anefa i Festosy. Tsy hita ao amin’ny lalàna Romana ny zavatra iampangana azy . Tsy azo alefa any amin’ny Amperora anefa izy raha tsy misy antony iampangana azy (and 27) . Mila fanampiana mafy amin’i Agripa i Festosy vokatr’izany (and 26). Mahagaga! olona efa tokony ho afaka i Paoly , saingy izy indray no mangataka hotsarain’ny Amperora . Ny antony : te-hitory an’i Kristy amin’ny Amperora izy .Taminy, dia tranga fanararaotra izao ka tsy avelany handalo foana na dia mafy tokoa aza.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8