Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 24.22-27 /25.1-12
22 Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana* izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. [* Gr. lalàna] 23 Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an'i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy. 24 Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an'i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesosy. 25 Ary raha nitory ny amin'ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho. 26 Sady nanantena koa izy fa homen'i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy. 27 Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 24.22-27 /25.1-12

Nahemotra intelo ny fitsarana an’i Paoly (Asa 24.22; 24-25;25.9) ny fitsarana an’i Paoly , ary tsy mety voatsara nandritra ny roa taona izy noho ireto antony ireto:

1-Ny fahalemen’ny mpitsara

Fahalemena telo no hita teo amin’ny mpitsara .

-Fatahorana ny fitsarana ho avy (Asa 24.24-25) . Mpitsara mbola hotsaraina tokoa manko ny governora eto.

Fitiavana kolikoly (Asa 24.26) . Tia vola koa ny mpitsara eto , ka nanantena izy fa hanome vola azy iPaoly .

-Fitia te-hahazo sitraka amin’ny Jiosy (Asa 24.27;25.9) samy nila sitraka tamin’ny Jiosy na i Feliksa (Asa 24.27) na i Festosy (Asa 25.9).

2-Ny fijoroan’i Paoly ho vavolombelona marina

Nahemotry ny mpitsara ny fitsarana (Asa 24.22) noho ny nilazan’i Paoly ny finoany , ny fitsanganana amin’ny maty , izay antony iampangana azy (Asa 24.21) . Sahy nijoro amin’ ny fnoany i Paoly . Nahemotra fanindroany ny fitsarana satria sahy nitory an’i Jesoa Kristy sy ny fitsarana ho avy teo anatrehan’ny mpitsara i Paoly (Asa 24.24-25). Ny fijoroana nataon’i Paoly eto dia hy fahasahiana miteny sy ny fijoroany tamin’ny fiainany andavanandro mihitsy , nanao ny marina teo anatrehan’ny fiaraha-monim-pivavahana sy fiaraha-monim-panjakana.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8