Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 24.1-21
1 [Ny nitsarana an'i Paoly teo anatrehan'i Feliksa, sy ny nifatorany roa taona tao Kaisaria] Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka ny niampangany an'i Paoly. 2 Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe: 3 Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin'ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô. 4 Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin'ny faharetana izahay. 5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena. 6 Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy*; [* Ampio hoe: ka tianay hotsaraina araka ny lalànay] 7 [Fa tonga Lysia, mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tananay. Ary nasainy nankaty aminao ny mpiampanga azy] 8 ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy. 9 Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy. 10 Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako; 11 fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema. 12 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna; 13 ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny. 14 Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana* izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany, [*Gr. lalàna] 15 ary manantena amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka. 16 Ary amin'izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva. 17 Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko. 18 Ary tamin'izay dia hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia, 19 - tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy. 20 Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny Synedriona aho, 21 afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 24.1-21
Fitsarana hafakely ny nitsarana an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa governora satria :
1-Fitsarana miantehitra amin’ny fahaizana sy fahamarinan’ny mpitsara
Samy nanindrahindra ny maha-izy azy sy ny fahaizan’i Feliksa mpitsara avokoa , na ny mpiampanga izay soloan’i Tertylo vava (and 1-4) na ny ampangaina , dia i Paoly (and10). Fitsarana sy mpitsaran’ny tany no resahina eto , mbola ho avy ny fitsaran’ny lanitra amin’ny fiafaran’izao tontolo izao . Ka moa ve mba isan’izay ho faly ianao hatrika izany , satria matoky ny fahamarinana sy ny fahaizan’Andriamanitra mpitsara ny olona rehetra.
2-Fitsarana tsy misy vavolombelona
Samy tsy tonga nanatrika ity fitsarana ity avokoa ny olona voatonon’ny mpiampanga ( Lysia mpifehy arivo) ( and7 ) sy ny voatonon’ny ampangaina (Jiosy avy any Azia) (and19). Tsy mba toy izany ny fitsarana miandry antsika amin’ny fitsarana farany . Manatrika sy mahita izay ataontsika ety an-tany i Jesoa izao (Lio 12.2) ary hanatrika ny fitsarana antsika eo anatrehan’ Andriamanitra . Vonona ve ianao ?
3-Fitsarana tonga toerana nitoriana an’i Kristy
Ny hafetsen’i Paoly dia ny fahaizany manararaotra ny toerana rehetra, hatramin’ny tribonaly aza hitoriana ny Filazantsara . « ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio » , hoy izy raha nitory an’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty Izy.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8