Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 23.16-35
16 Ary nony ren'ny zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza tamin'i Paoly. 17 Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy. 18 Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy. 19 Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko? 20 Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho any amin'ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa. 21 Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao. 22 Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko ianao. 23 Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin'ny ora fahatelo; 24 ary itondray biby koa hitaingenan'i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin'i Feliksa mpanapaka. 25 Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao: 26 Klaodio Lysia miarahaba an'i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra. 27 Ity lehilahy ity dia nosamborin'ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy. 28 Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin'ny Synedriona izy; 29 dia hitako fa ady hevitra ny amin'ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy. 30 Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza at? anatrehanao izay iampangany azy. [ Ampio hoe. [Veloma] 31 Dia nalain'ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin'iny alina iny ho any Antipatria. 32 Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova. 33 Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin'ny mpanapaka sady nanolotra an'i Paoly ho eo anatrehany koa. 34 Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy, 35 dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i* Heroda izy. [* Gr. pretoria]Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 23.16-35
Ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra ampiasaina hahasoa izay tia azy . Jereo ange e!
1-Ampiasain’ Andriamanitra ny fianakavianao (and16-22)
Ny zanak’anabavin’i Paoly no fitaovana nampiasain’ny Tompo hanavotana azy mba tsy ho fatin’ny Jiosy. Samy te-hampiasa ny fianakaviantsika avokoa na Andriamanitra , na ny devoly . Koa ento am-bavaka ary atolory hampiasain’ny Tompo irery ny fianakaviantsika , fa aza avela ampiasain’ny devoly .
2-Ampiasain’ Andriamanitra ny manampahefana na dia ny Jentilisa aza (and 23-24,31-35).
Ny kapiteny , ny mpifehy arivo : ireo no nanao ny fomba rehetra hanavotana an’i Paoly tsy ho fatin’ny Jiosy .Tsy vao izao akory Andriamanitra no mampiasa manam-pahefana sy Jentilisa toy izao , fa efa hatramin’ny ela . Ohatra , i Kyrosy mpanjaka nanafaka ny Jiosy tamin’ny fahababoana tany Babylona (Isa 45) .
3-Ampiasain’ Andriamanitra ny maha-ianao anao ara-nofo (and25-30..34)
Araka ny and 27 sy 34 raha tsy Romana izy , mety tsy ho namonjy azy ny miaramila . Toy izany koa ny fahafantaran’ny manampahefana fa avy any Kilikia izy no mahatonga azy vonona ny hihaino azy (and34) . Hitantsika amin’izany fa ampiasain’ny Tompo avokoa ny zava-drehetra hamonjeny ny olony .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky hafa-8