Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 21.27-40
27 [Ny nisamborana an'i Paoly, sy ny teny nalahany tamin'izany] Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an'i Paoly, 28 ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa* teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina. [* Gr. Grika] 29 (fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly izy). 30 Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly; ary niaraka tamin'izay dia narindrina ny vavahady. 31 Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo tamin'ny antokon'ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra; 32 ary niaraka tamin'izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly. 33 Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin'ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony? 34 Ary ny sasany tamin'ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly. 35 Ary rehefa tonga teo amin'ny ambaratonga izy, dia nobetain'ny miaramila noho ny fifanosehan'ny olona; 36 fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio! 37 Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin'ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao? 38 Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra? 39 Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin'ny olona. 40 Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 21.27-40

Mahagaga antsika hatrany ny fitondran’ny Tompo an’ i Paoly

1-I Paoly nenjehina fa Apostolin’ny Jentilisa (and 27-30)

Efa tsy vaovao amin’izany intsony izy fa efa azo lazaina ho vita vaksiny amin’ izany mihitsy . Teto ny antony nanenjehana azy dia ny fiarahany tamin’ ireo Jentilisa (tsy Jiosy) nambara fa nandoto ny fitoerana masina , na dia tsy marina aza izany . Mety ho tratran’ny fanendrikendrehana toy izany koa ianao , fa mahereza.

2-I Paoly novonjen’ny miaramila (and31-36)

Ny fahatongavan’ny miaramila Romana no tsy nahafaty azy , na dia romotra te-hanompo azy aza ny Jiosy. Mahazo matoky koa isika fa hain’ Andriamanitra ampiasaina ny mpitandro ny filaminana hanampy antsika mpitory ny Filazantsara .

3-I Paoly sahy miteny fa tsy mangina (and37-40)

Raha heverina ny hoe : zara aza tsy matin’ny olona teo ,dia hoe ny mangina no mety . Tsy izany anefa no nataon’i Paoly , fa mbola nangataka hiteny amin’ny vahoaka ihany izy. Tena hita ara-bakiteny mihitsy izay voalazany tao amin’ny Asa 20.24 hoe : « Tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko …hanambara ny Filazantsaran’ny fahasoavan’ Andriamanitra »

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8