Noho ny  herin’Andriamanitra sy ny  asany  dia :

Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 21.15-26
15 Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema. 16 Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana. 17 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy. 18 Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona* rehetra. ]*Gr. presbytera] 19 Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy. 20 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra, 21 sady efa novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana. 22 Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao. 23 Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy et? izay nivoady; 24 raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa. 25 Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. 26 Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.

Noho ny  herin’Andriamanitra sy ny  asany 
dia :

1-Mitombo  fatratra ny isan’ny mino  an’i Jesoa na Jiosy  na Jentilisa

Nifanao
tatitra i Paoly  sy ireo loholona tany
Jerosalema . Izany tatitra izany  no  ahatsapana 
ny asan’ Andriamanitra . Ny nampanaovina 
an’i Paoly  dia ny hitory  amin’ny Jentilisa . Vokany : maro  ny Jentilisa no resy lahatra hino  sy hanaiky 
an’i Jesoa Kristy  (and19).
Tsy  latsaka amin’izany  koa anefa 
ny nataony  tamin’ireo Jiosy  araka ny tatitra nataon’ny loholona (and20).
Tsy  omby 
alonalina ny Jiosy  tonga mpino
kristiana .

2-Mahay  mifankatia ny samy  mpino an’i Kristy

Foko samihafa avy amin’ny firenena samihafa no lasa mahay  mifankatia , noho ny asan’ Andriamanitra  izay  mampiombona azy . Nisy  mpianatra avy any Kaisaria (and16) nanaraka  an-dry i Paoly  no  ho  ny fifankatiavana . Tonga tany  Jerosalema  dia tamin’ny fifaliana  no nandraisan’ireo  mpino  an’ireto  mpino avy lavitra ireto (and17) . Nanoro hevitra  an’i Paoly   ireo loholona  mba ho  fiarovana azy amin’ny fiampangan’ny  olona sasany  azy (and 22). Noho  ny fitiavana avy amin’ Andriamanitra no  mahatonga  izany rehetra izany  . Izay  ilay didy vaovao  napetraky  ny Tompo  Jesoa , sady famantarana  ny maha- mpianany antsika . mandini-tena isika mpino ankehitriny , raha mandinika izany fifankatiavan’ny  mpino teo  aloha izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra »
Boky faha- 8