Tsy misaraka  amin’ny mpianatry  ny  Tompo  ny Fanahy  Masina : mitarika , miteny  aminy , mitaiza, manefy  azy  ireo  Izy  mba tsy  hikatsaka afa-tsy  ireto :

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 21.1-14
1 [Ary nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy] Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara; 2 ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha. 3 Ary nony nahatsinjo an'i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin'ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan'ny sambo. 4 Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin'ny Fanahy hilaza amin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema. 5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka; 6 ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody. 7 Ary ny niafaran'ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro. 8 Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay. 9 Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany. 10 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia. 11 Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy. 12 Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema. 13 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo. 14 Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.

Tsy misaraka  amin’ny
mpianatry  ny  Tompo 
ny Fanahy  Masina : mitarika
, miteny  aminy , mitaiza, manefy  azy 
ireo  Izy  mba tsy 
hikatsaka afa-tsy  ireto :

1-Ny hisehoan’ny  Voninahitr’ Andriamanitra (and13)

Ny Fanahy Masina mihitsy 
no niteny  tamin’i Paoly, tamin’ny
alalan’i Agabo mpaminany, fa hifatorana ary hatolotra ny Jentilisa izy  rehefa tonga any Jerosalema (and10-11).
Tsy  nampihemotra  an’i Paoly 
izany , hoy  izy : « Nahoana ianareo  no mitomany 
ka mampangorakoraka ny  foko ?
Fa vonona aho  tsy ny hafatotra
ihany  fa ny  ho faty 
any Jerosalema koa aza mba ho Voninahitry ny  Anaran’ny Tompo
 » (and13).

2-Ny hahatanterahan’ny
sitrapon’ Andriamanitra

Endrey ny asan’ny Fanahy Masina . I Paoly  aloha no resy lahatra haneho  ny voninahitr’i Jesoa . Fa rehefa kelikely
teo , dia nanaraka ihany  ny  mpianatra ka namela ny hahatanterahan’ny
sitrapon’ Andriamanitra . Mifarana ny adihevitra sy ny fandresen-dahatra ,
rehefa  ny sitrapon’ Andriamanitra  no resahina . Koa ambarao sy ampianaro  any amin’ny toerana rehetra  be adihevitra 
ny sitrapon’ Andriamanitra  mba
hifaranan’ny ady . Ny  asan’ny Fanahy
Masina anefa no  mahatanteraka izany  , fa 
tsy  ny olona rehetra  mahalala ny 
sitrapon’ny Tompo no manaraka izany . Mampianatra  antsika hiankina amin’ny fitarihan’ny Fanahy
Masina izany .

« Raiso ny Tenin’
Andriamanitra
 » Boky faha- 8