Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 20.1-16
1 [Ny nankanesan'i Paoly tany Grisia indray, sy ny niverenany tany Asia] Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy. 2 Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia. 3 Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia. 4 Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia. 5 Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy. 6 Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana. 7 Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy. 8 Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay. 9 Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty. 10 Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy. 11 Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha. 12 Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly. 13 Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety* izy. [* Na: handeha tongotra] 14 Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay. 15 Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka* tonga tany Mileto izahay nony ampitson'iny. [ Ampio hoe: (rehefa nitoetra any Trogilio, dia)] 16 Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 20.1-16

Inona no hataonao rehefa miatrika fanenjehana?

1-Aza maika ny handositra raha tsy milamina ny tanàna

Vokatry ny Filazantsara notorin’i Paoly dia nisy olona voatohitohina ny tombotsoany (Asa 19). Nitarika tabataba tao an-tanàna izy ireo . Niandry izany hilamina tsara i Paoly vao niala teo an-tanàna . Indraindray isika rehefa mitory amin’ny tanàna iray , ka misy olana dia mitsoaka avy hatrany. Tsy mety izany.

2-Sahia manapa-kevitra tampoka

Efa hiondrana handeha any Syria i Paoly no mahafantatra fa misy olona mioko hamono azy . Tsy nisalasala izy nandray fanapahankevitra rehefa misy ny zavatra tampoka toy izany , ka miandry hoe: efa mitranga ny loza vao hanapa-kevitra . Izany indrindra koa anefa no tena mahatonga antsika hiankina mandrakariva amin’ny Tompo .

3-Mahaiza mandamina miaraka amin’ny mpiara-miasa

Nahay niara-niasa sy niara-nandeha tamin’ny olona samihafa fiaviana i Paoly (and4-16). Mifampiandry (and 5-6) , na dia misy aza ny fandaminana ataon’i Paoly , dia azo atao tsara ny manova izany arakaraka ny zava-misy (and13-14). Fehiny , tsy misy ady mihitsy eny an-dàlana.

4-Aza adinoina ny tena fototrasa

Nanao teny fampaherezana i Paoly vao niala tao Efesosy (and 1) . Nitoriteny imbetsaka nampahery ny mpino izy va niala tao Makedonia (and2). Nampianatra mandra-paharainan’ny andro sy namelona an’i Eotika izy tao Troasy vao nandeha , na dia maika aza (and 7-11).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8