Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 19.23-41
23 [Ny tabataba nataon'i Demetrio sy ny namany tao Efesosy] Ary tamin'izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana* izany. [* Gr. lalana] 24 Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin'ny tempolin'i Diana* tamin'ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy; [* Gr. Artemisy] 25 ireny mbamin'ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena. 26 Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana. 27 Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao. 28 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana! 29 Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana. 30 Ary raha te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia tsy navelan'ny mpianatra. 31 Ary ny lehibe sasany tany Asia*, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana. [* Gr. Asiarka] 32 Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo. 33 Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona. 34 Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana! 35 Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera *? [* Gr. Zeosy] 36 Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana. 37 Fa nentinareo et? ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika. 38 Koa raha manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora. 39 Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin'izay fivoriana voatendrin'ny lalàna. 40 Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao. 41 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 19.23-41
Tsarovy ireto :
1-Tsy afa-misaraka ny finoana kristiana sy ny sampy
Ady mangotraka no nisy teto . Rehefa nitory ny fivavahana marina ry i Paoly dia mba nitsangana niaro ny azy koa ireo mpanompo sampy . I Jesoa dia efa niteny mazava hoe : »Tsy misy mahay manompo tompo roa (Mat 6.24). Ny mampalahelo dia ny mahita olona mitonona nho kristiana nefa mbola manompo sampy ihany .
2-Mafana fo fatratra hiaro ny azy ny mpanompo sampy
Mariho ny fientanan’izy ireo , noantysoantso efa ho adiny roa be izao hoe: lehibe ny dianan’ny Efesiana (and34) . Marina fa hafanampo anjambany no hita eto . Anjambany satria tsy fantany akory izay ataony (and32), kanefa dia hafanampo ihany . Mba ahoana ny hafanamponao kristiana raha mitaha amin’izany ? Fa indraindray toa ambakan’ny mpanompo sampy isika .
3-Sarobidy amin’ny olona noho ny fanahy ny vola
Rehefa tena halalinina ny anton’ny hetsika rehetra notarihan’i Demetrio teto dia izao ihany : tahotra ny ho very tombotsoa . teo tokoa ny fitiavany sy ny fifikirany tamin’ny sampiny , dia ilay dianan’ny Efesiana , fa teo indrindra koa ny harena azony vokatr’izany . Io no natahorany mafy ho very raha tonga kristiana ny olona maro . Ary moa tsy mampahatsiaro antsika ilay tantaran’ny nanafahan’i Jesoa ilay demoniaka tao Gadarena va izany , ka nahatezitra ny tompon’ireo kisoa nidiran’ny fanahy ratsy ka nirifatra tany amin’ny hantsana ka maty tany ? Tsy ilay lehilahy velona no lehibe taminy fa ny kisoany maty . Fieritreritra izany !
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8