Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 13.13-31
13 Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema. 14 Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo. 15 Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy. 16 Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an'Andriamanitra, mihainoa; 17 Andriamanitr'izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin'ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany. 18 Ary Izy nandefitra tamin'ny nataony* tany an-efitra tokony ho efa-polo taona. [* Na: (nitondra azy tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany; izahao Deo. 1.31)] 19 Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin'ireny izy 20 tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin'i Samoela mpaminany. 21 Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen'Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak'i Kisy, lehilahy avy tamin'ny firenen'i Benjamina. 22 Ary rehefa nanaisotra an'i Saoly Izy, dia nanandratra an'i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an'i Davida, zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam. 13. 14; Sal. 89. 20). 23 Avy tamin'ny taranak'izany lehilahy izany no nitondran'Andriamanitra an'i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely, 24 rehefa notorin'i Jaona tamin'ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan'ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy. 25 Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory. 26 Ry rahalahy, taranak'i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an'Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao. 27 Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon'ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin'ny nanamelohany Azy. 28 Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin'i Pilato ihany izy hamonoana Ary. 29 Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin'i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin'ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana. 30 Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin'ny maty. 31 Ary Izy niseho andro maro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny olona ankehitriny.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 13.13-31
Fianarana ho antsika izao hita eto izao :
1-Nandeha tokoa ry i Paoly
Rehefa nahazo antso sy voairaka dia roso tokoa ny dian’ izy ireo , tsy nahalala sasatra . Tonga fanontaniana ho antsika izany : mbola manana fahavononana sy fankatoavana toy izany ve isika ? Mbola misy amintsika ve mahafoy tena handeha ka tsy hahalala sasatra toy izany rehefa hitory ny Filazantsara?
2-Nahalala ny tranga fanararaotra i Paoly
Hainy ny nanararaotra ny fisian’ny Synagoga , izay toeram-pivorian’ny Jiosy niely patrana ivelan’i Jerosalema . Hainy ny nanararaotra nanatrika izany fotoam-pivoriana izany tany amin’ny toerana nalehany . Hainy ny nanararaotra niteny rehefa nangatahina hanao izany . Ary isika , mba ahoana? Mariho fa tsy avy hatrany dia nisaraka tamin’ny Jodaisma ( fivavahana Jiosy ) akory ny Kristianisma ary tsy nanangana ny Jiosy nanaraka ny Jodaisma ho fahavalo akory ireo Jiosy Kristiana . Fanatra izany !
3-Nahay ny Testamenta Taloha ry i Paoly

Toy ny efa hitantsika tamin’ny tantaran’i Stefana dia ny Testamenta Taloha no Soratra Masina teo an-tànan’ireo kristiana voalohany ary hainy tsara ny nitory an’i Jesoa Kristy niainga tamin’izany. Manitsy ny fanamaivanantsika ny Testamenta Taloha izany , satria tena miandoha ao ny Filazantsaran’i Jesoa .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8