Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 06 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 13.1-12
1 [Ny nandefasana an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly. 2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. 3 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy. 4 Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy. 5 Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy. 6 Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka, 7 izay nitoetra tao amin'i Serygio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin'Andriamanitra. 8 Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana. 9 Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy 10 ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy? 11 Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy. 12 Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 13.1-12
Fanontaniana roa no omena antsika eto
1-Mbola mahay mihaino ny Fanahy Masina va isika ?
Hitantsika eto fa ny Fanahy Masina no nampanokana an’i Barnabasy sy i Saoly (and2), naniraka azy ireo (and4) ary nanome fahasahiana masina azy (and9). Tena i Jesoa ao amin’ny Asa 1.8 izao . Tamin’ny fomba ahoana no nandrenesan’ny Fiangonana voalohany izany feon’ny Fanahy Masina izany . Tao anaty fifadiankanina , izany hoe : tao anatin’ny filomana amam-bavaka. Moa tsy heverin’ny sasany amintsika ho fomban’ny sekta ny mifady hanina ? Diso isika raha izany !
2-Manao ahoana ny anjara toeran’ny vavaka mialoha ny fanokanana sy fanirahana mpanompon’ Andriamanitra?
Nialohan’ny hanirahana azy roa lahy dia nifady hanina sy nivavaka ny Fiangonana . Moa tsy fieritreritra izany mialohan’ny hanokanana Mpitandrina sy Mpiandry ary Diakona sy Loholona ? Ady mafy no hatrehin’izy ireo . Hifanandrina amin’ny mpanao ody izy ireo . Koa tena nilainy izany vavaka nanovozana herim-panahy izany . Tsy miova mandraka ankehitriny ny hamafy sy hasarotry ny asan’ny mpitory ny Filazantsara . Anjarantsika ny mianatra izay nataon’ny Apostoly .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8