Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 12.7-25
7 Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra. 8 Ary hoy ilay anjely taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy. 9 Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy. 10 Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy i]ay anjely. 11 Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny fanantenan'ny Jiosy rehetra. 12 Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao. 13 Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino. 14 Ary rehefa nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady. 15 Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany. 16 Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona. 17 Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa. 18 Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera? 19 Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany. 20 Ary Heroda tezitra loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin'ny tanin'i Heroda*. [* Gr. ny mpanjaka] 21 Ary tamin'ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin'ny vahoaka. 22 Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon'Andriamanitra izany, fa tsy an'olona! 23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy; ka dia nohanin'ny kankana izy ka maty. 24 Ary nandroso sy niely ny tenin'Andriamanitra. 25 Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany* Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [* Na: niverina tany]1-Azo antoka ny herin’ny Tompo
Endrika iray ahitantsika izany ny fanafahana an’i Petera teto. Efa tena natao tsara ambina izy , saingy tsy nahasakana ny herin’ Andriamanitra tsy izany mandrakariva ny ataon’nyTompo satria i Jakoba dia voalaza fa novonoin’i Heroda (and2) ; saingy mahazo toky isika fa raha mbola misy ilan’ny Tompo antsika eto dia tsy avelany ho faty akory isika .
2-Mianara mandray valimbavaka
Voalazan’ny and 5 hoe: « ny Fiangonana nahery nangataka tamin’ Andriamanitra ho azy « kanjo nony azo tokoa ny valimbavaka ka tafavoaka avy tao an-tranomaizina i Petera ,dia tsy nino indray ireo olona niari-tory nivavaka ho azy . Moa tsy fahalemena mpahazo antsika koa izany ? Soa ihany fa tsy nihevitra loatra izany tsy finoantsika ny valimbavaka omeny izany ny Tompo , ka manaiky hamaly vavaka antsika ihany. Na izany aza dia miovà.
3-Tandremo ny fireharehana
Ambaran’ny and 23 dia nasian’ny anjelin’ny Tompo i Heroda ka matin’ny kanakana.Ny antony : « nihobian’ny olona ho andriamanitra izy « , tsy nanitsy izany izy fa nanaiky . Fampitandremana lehibe ho antsika izany . Tsarovy ny Isaia 42.8.
« Raiso ny Tenin’ Andiamanitra » Boky faha-8