Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 11.1-18
1 [Ny namalian'i Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra. 2 Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora 3 ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy. 4 Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe: 5 Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany; 6 ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby et? an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa. 7 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano. 8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio. 9 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady. 10 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany. 11 Ary tamin'izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko. 12 Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay. 13 Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera; 14 izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. 15 Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny. 16 Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina. 17 Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra? 18 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 11.1-18

Mampieritreritra ity tantara ity 

1-Nohelohina i Petera (and1-3)

Ny and 1 dia milaza ny nandresen’ny Apostoly fa nandray ny Tenin’ Andriamanitra ny Jentilisa . Tokony  ho nifaly  izy ireo  , kanjo  fanamelohana no  nitranga eo amin’ny and 3 . Izany  fanamelohana izany  dia mampiseho  amintsika ny hamafin’ny  fangejan’ny fombantany  sy tarazo , na eo  amin’izay  mitonona ho  kristianina aza.

2-Nohenoina i Petera (and4-18)

Mahafaly  ny  mahita 
eto  fa na dia mafy  aza ny fanakianana , tsy   nohelohina anjambany akory i Petera .
Navela  hiteny izy , navela hitantara ny
zava-nisy izy ka hijoro  ho vavolombelon’ny
asan’ Andriamanitra manavao  ny
Fiangonany sy manitatra ny ambaindain’ny Filazantsara . Tena Andriamanitra
mihitsy  mantsy izay niditra an-tsehatra  hanitatra ny asa fitoriana ny Filazantsara izao
, eny  fa na dia hanakorotana ny hevitra
amam-pomba raiki-tampisaka tao amin’ny 
mpino  aza . Soa ihany fa nahay
nandray izany ireo Apostoly sy ny namany Jiosy 
ka nangina sy nankalaza an’ Andriamanitra .

Homen’ Andriamanitra antsika anie ny hanaiky  ny asany 
hampitombo ny Fiangonany , araka ny fombany ka tsy  ho maika hanameloka izay tarihany hahita ny làlam-baovao
tsy mahazatra antsika  .

« Raiso ny Tenin ‘
Andriamanitra
 »Boky faha-8