Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Zoma, faha 31 Mey 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 9.23-43
23 Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy; 24 nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman'alina hamonoany azy. 25 Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda. 26 Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra. 27 Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy. 28 Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema, 29 sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy. 30 Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy. 31 Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro. 32 [Ny nandehanan'i Petera nitety tany, sy ny nananganany an'i Dorkasy tamin'ny maty] Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona masina nonina tany Lyda koa. 33 Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa. 34 Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy. 35 Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo. 36 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy*; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany. [* Dorkasy = Gazela; izahao 2 Sam. 2,18] 37 Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony. 38 Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankat? aminay. 39 Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony. 40 Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina. 41 Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona. 42 Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo. 43 Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 9.23-43
Tantara roa no hitantsika eto:
1-Ny tohin’ny tantaran’i Saoly
Mahatalanjona sy mahatsiriritra ny tantarany . Vao avy niova fo izy dia efa lasa mpitory nahery fo ka nanana « mpianatra » sahady (and25). Na taiza nataiza koa anefa nalehany dia nofofoina ho faty hatrany izy noho ny fahasahiany . Toa herimpo vitsy mpanana izany .Toa samy te-hiaro ny aintsika avokoa ihany isika , ka aleo mangina. Fa izao koa : rehefa niova izy izay mpanenjika , niadana ny Fiangonana (and31). Mivavaha ho an’ireo fahavalon’ny Fiangonana mba hiadanantsika .
2-Ny tantaran’i Petera(and 32-43)
Fahagagana roa no hitantsika fa nataon’i Petera eto : ny fanasitranana an’i Enea , ilay vehivavy nalemy (and33-35)
Araka izany , tsy tokony hanahirana antsika mihitsy ny fisian’ny Fiangonana toy izany . Hitantsika izany amin’ny fiaraha-miasan’ny Tompo amin’ny Mpiandry .Ny mahafaly dia izao : ireo fahagagana ireo dia fitaovana eo am-pelatànan’ny Tompo nahatonga olona maro « niverina ho amin’ny Tompo » (and 35) « ka maro ny nino ny Tompo »(and42).
Fampieritreretana :
Raha maty i Dorkasy dia nahatsiaro fahabangana lehibe ny
mpiara-mononataminy . Ary izaho sy ianao , ahoana ?
« Raiso ny Tenin’
Andriamanitra » Boky faha-8