Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Mey 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 9.1-22
1 [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy 2 ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy na vavy. [*Gr: lalana] 3 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; 4 dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? 5 Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; 6 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. 7 Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona. 8 Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy. 9 Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro. 10 Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko. 11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy; 12 ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony. 13 Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema. 14 Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. 15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; 16 fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako. 17 Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. 18 Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa; 19 ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy. 20 Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra. 21 Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe. 22 Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy* no Kristy. [* Gr. Ity]Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 9.1-22
Fanontaniana maro no entin’ity tantaran’ny fiovan’i Saoly ity . Santionan’izany ireto:
1-Efa mba nifanena tamin’i Jesao ve aho?
Tsy voatery hahita zava-mahagaga maro toy ny hazavana be , feo any an-danitra , fahajambana akory isika. Fa ny zavatra mazava kosa dia izao : nisy fihaonana velona tamin’i Jesoa tamin’ny fotoana iray teo amin’ny fiainantsika noho ny Tenin’ Andriamanitra rentsika na novakintsika . Efa nisy ve izany?
2-Raha eny : inona no vokany ?
i Saoly dia niova : nanaiky an’i Jesoa hoe: »tompoko « izy . Nianjera avy teny amin’ny soavaliny izy, dia ilay soavaly maneho ny fatokian-tenany , ny avonavony .Resin’i Jesoa izy. Dikany : tsy misy olona nifanena marina